- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Novonoin’ilay lehilahy ho faty ny olon-tiany

Antsirabe : Novonoin’ilay lehilahy ho faty ny olon-tiany

Niakatra fampanoavana ny faramparan’ny herinandro teo, ny raharaha mahakasika ny tovolahy iray namono nahafaty ny olon-tiany. Naididtra am-ponja avy hatrany ny nahavanon-doza miandry ny fotoam-pitsarana azy. Raha tsiahivina ny 22 jolay lasa teo no maty nisy  namono ny tovovavy iray vao 21 taona monja, tao Tsaratanana kaomininina Alakamisy Antsirabe II. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminanana sy ny mpitsabo tao Ambano no nahafatarana, fa tsindron’antsy nanandrify fony no nahafaty azy. Tsy iza akory no nahavanon-doza,fa ilay lehilahy niaraka taminy ihany. Raha ny fanazavana, dia olona handeha hanondraka anana eny an-tsaha no nahita azy ireo mbola nampiaraka talohan’ny nahafaty ilay tovovavy izao. Tadidin’ireo mpanodrak’ anana  ny akanjo nanaovan’ilay lehilahy ka taorian’ny famotorona, dia voamarina fa io lehilahy io tokoa no niaraka taminy farany. Tsy niandry ela ny raharaha, fa niroso tamin’ny fisamborana ny mpitandro filaminana rehefa nitory ny fianakaviany. Ny fanampim-baovao no nahafantarana, fa nindrana vola taminy io tovovavy io, tsy tafaverina anefa ilay vola ka teo no nanomboka niaraka izy roa kinanjo novonoiny ho faty ilay vehivavy taty aoriana, niaiky izany rahateo ralehilahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici