- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Novonoiny ny mpampiasa azy, iray volana aty aoriana vao hita...

Antsirabe : Novonoiny ny mpampiasa azy, iray volana aty aoriana vao hita ny fatiny

Izy roa lahy namono ny mampiasa azy. ( sary: Andry N)

Iray volana aty aoriana vao hita ny razana, nalevin’izy roa lahy ny mpampiasa azy rehefa avy novonoiny tamin’ny antsy fijinjam-bary sy vely kobay.
Tao amin’ny kaominina Antanambao Distrika Antsirabe II no nisehoan’ity vono olona ity. Tsy iza no ,nahavanon-doza fa ireo mpiasan’ilay rangahy ihany. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny zandary, dia  efa 19 taona no nifankalalan’ireo mpampiasa sy ny mpiasa. Tonga mikarama ao aminy izy roa lahy ireo mijinja vary rehefa fiakaran’ny vokatra, ary  toy izany hatrany isan-taona. Marihina, fa ao amin’ny tanàna antsoina hoe Manankasina kaominina Betatao distrikan’ Anjozorobe no misy ny toerana hikaraman’izy roa lahy ireo, ary ao no fonenan’ilay rangahy mpampiasa.
Ny faran’ny volana May lasa teo, nifampitaona ilay rangahy mpampiasa sy ny mpiasany roa lahy fa hanao afera mangahazo ao Ankazomiriotra. Noho ny fahatokisany ireto mpiasany dia efa nitondra vola 8 tapitrisa ariary ilay rangahy. Niainga tao Anjozorobe izy telo lahy ny 30 May lasa teo, ary nifampiresaka fa hitsidika ny toerana misy azy roa aloha vao handeha hanangom-bokatra. Izy roa lahy ireo izay monina ao amin’ny fokontany Ambatomanga kaominina Antanambao Antsirabe II. Teny an-dalana anefa, nony tonga tao amin’ny toerana antsoina hoe Kelialina, ny 31 May tokony ho tamin’ny valo ora alina, novonoin’izy roa lahy tamin’ny antsy fijinjana vary sy vely kobay ilay rangahy, nalainy ny vola ary naleviny ity farany avy eo.
Nandeha ny fotoana ,tsy hita ilay rangahy ka tonga teto Antsirabe nikaroka azy ny fianakaviany . Tao amin’ny Poste avancé tao Sahanivotry no nanatona ny fianakaviana ary teo no niainga ny fanadihadiana rehetra, hoy ny GPHC Damy Bevahiny, kaomandin’ny borigady Andranomadio Antsirabe. Ny 5 Jolay teo  vosambotra izy roa lahy ary niaiky ny heloka sy nanoro ny toerana nandevenany ny razana. Mbola tratra teny amin’izy roa lahy ihany koa ny finday fampiasan’ilay rangahy. Natolotra ny fampanoavana teto Antsirabe izy roa lahy ireo .
Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici