Toerana tsy dia miala lavitra eto Antsirabe no nisehoan’ity tranga ity. Nomeny fonoka fampatoriana ny havany, avy eo nilamina izy sy ny namany nandroba ny entana rehetra tao an-trano.
Fianakaviana akaiky, iray trano ihany no nahavita nanao izany asa ratsy izany. Tamin’ny alàlan’ny vary amin’anana sakafo tao an-trano no nanapoizinany ny fianakaviany. Rehefa samy renoka avokoa ny iray trano, dia niantso ireo namany izy handroba ny trano. Tapitra noraofiny sy ireo namany avokoa ny entana sarobidy rehetra, niampy vola sy finday. Nilamina ry zalahy nanao ny asa ratsiny, nisy iray tamin’ny fianakaviana anefa no taitra tampoka, tsikaritr’ireo jioalahy izany ka saika matin’ny daroka ity farany.
Nametraka taratasy fitoriana ny fianakaviana, tsy ela dia voasambotra ny efa-dahy voalaza fa nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana izy ireo. Ao Mahazina Antsirabe izy efa-dahy no mipetraka, ny fanadihadian’ny polisy hatrany no nahalalana, fa efa voarohirohy tamina halatra fiara teto Antananarivo ny sasany amin’izy ireo. Samy efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy efa-dahy miandry ny fitsarana azy. Marihana, fa tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo no nisehoan’ny fanafihana.
Andry N.