Vita ny fametrahana tamim-pomba ofisialy ny kaomisera vaovao hitantanana ny kaomisarian’ny polisim-pirenena eto Antsirabe. Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanatontosana izany, lalonana ara-miaramila natrehan’ny tale jeneraly sy sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena. Mifanandrify amin’ny baiko sy ny andraikitra sahanin’ny polisy hatrany ny laharam-pahamehana ho an’ity kaomisera vaovao eto Antsirabe ity. Tsy inona izany fa ny fametrahana sy fandaminana ny fandriam-pahalemana sy ny ady amin’ny jiolahy. Nambarany ihany koa ny tokony hanajana ny fitsipika mifehy ny polisim-pirenena. Marihina moa fa efa nanomboka ny asany ity kaomisera vaovao ity, ary nohamafisiny ny fandrindrana ny lafiny fifamoivoizana eto Antsirabe, izay notsindriny fa mikorontana tanteraka. Marihina fa nitana andraikitra tao amin’ny kaomisaria Antananarivo izy talohan’ny nanendrana azy amin’izao toerany izao. Nandalo fiofanana maro ny tenany amin’ny maha polisim-pirenena azy, na teto an-toerana izany na tany ivelany. Manam-bady aman-janaka ny lehilahy ary efa 18 taona niasana teo anivon’ny polisim-pirenana.
Andry N