Taorian’ny fanafihana mitam-piadiana niseho lany teto Antsirabe sy ny manodidina, fotoana vitsy lasa izay, dia nametraka paikady manokana ny teo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena, ka naira-niasa nanaovana haza-lambo ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany fiara miasa teo amin’ny roa tonta izany, ka jiolahy fito mianadahy no voasambotra hatreto. Sorona niaraka tamin’ireto olona ireto, ny basy kalibra iray sy basy poleta iray niaraka tamina bala vitsivisy. Niaiky ireto voasambotra ireto, fa isan’ireo tompon’andraikitra tamina fanafihana nisesisesy teto Antsirabe sy ny manodidina, isan’izany ny fanafihana tao Ambatomena tamin’ny 17 Aogositra, tokantrano roa no nasesin’ireo jiolahy 17 lahy mitam-piadiana. Ny ampitso marainan’io ihany, dia fantatry ny mpitandro filaminana fa nizara vola tao Avaratsena Antsirabe ireo jiolahy, ka bus iray no nisy azy ireo. Voamarina izany ary niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny mpitandro filaminana, ka roa lahy no voasambotra teo niaraka tamina basy. Ireo avy eo no nanoro ny namany hafa ka voasambotra tao Antananarivo koa ny telo hafa. Rehefa natao ny fanadihadiana sy fampitahana ireo taim-bala tany amin’ireo toerana nisy fanafihana, dia hita fa mitovy, ary mitovy ihany koa ny fisehon’ny fanafihana rehetra.
Ankoatra ireo basy tratra niaraka tamin’ireo jiolahy ireto, dia mbola sarona tany aminy koa ny vola iray hetsy ariary sy moto iray fampiasan’ireo jiolahy, voalaza koa fa tsy nisy taratasy ilay moto ary nitsoaka nandositra ny tompony.
Mbola misy noho izany ny olona hafa karohina naman’ireto jiolahy ireto, ka nanaovan’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana antso ho an’izay manana fanampim-baovao , mba hiantso ny laharana maitso 119 ho an’ny zandarimaria ary 147 ho an’ny polisim-pirenena. Tsy voatery amin’io resaka io ihany anefa no azo iantsoana, fa rehefa misy tranga tsy fandriam-pahalemana na mampiahiahy, dia azo antsoina hatrany ireo laharana ireo.
Andry N.