Ny andron’ny krismasy teo, nandriaka ny rà tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao. Aina roa be izao no nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso monja : ramatoa iray 66 taona sy zaza kely vao 9 taona. Tsy vitan’ireo fa mbola nisy lehilahy iray 47 taona ihany koa naratra mafy. Nitondra bisikileta ity farany. Ireo no vokatry ny loza mahatsiravina nitranga teo amin’ny fidinana Voirie, hihazo ny orinasa Star iny, tao Antsirabe renivohitra, tokony ho tamin’ny telo ora tolak’andro tany ho any. Raha ny fampitam-baovao azo dia fiara kely iray, marika « Peugeot 404 Baché » no nifaoka azy ireo avy any ambony any. Raha ny voalaza hatrany dia hoe nandeha mafy dia mafy ity fiara ity ary tsy nahafehy azy intsony ny mpamily azy, ary dia io nifaoka mpandeha tongotra sy mpitondra bisikileta io. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry filaminana tany an-toerana ary nanokatra ny fanadihadiana. Nentina nihazo haingana ny toeram-pitsaboana kosa ilay naratra. Ireo vatana mangatsiaka kosa, taorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo dia nentina nihazo ny tranom-paty. Nentina natao famotorana kosa tetsy andanin’izay ilay mpamily namoa-doza, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L