- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Olona telo MD noho ny fisolokiana avo lenta

Antsirabe : Olona telo MD noho ny fisolokiana avo lenta

Ny sakaizany ihany no namadika azy, niditra am-ponja mihitsy moa ity lehilahy antsoina hoe Hery ity , nandritra izany no nanararaotra nivarotra ny fananana iombonan ‘izy roa  ilay zakaizany ary nampiasa olona sandoka sy taratasy hosoka. Enim-bolana an-trano maizina tao Antanimora no sazin’i Hery, ny 23 jona 2020 izy no niditra am-poja ary ny 29 Desambra 2020  no nivoaka. Ny datin’ny 13 novambra 2020 anefa no natao ny « acte de vente » misy ny soaniany nohamarinana tao amin’ny kaominina. Niverina teto Antsirabe izy rehefa nahefa ny saziny ary  nijery ny tranon’izy roa tao Ambohimena. Akory ny hatairany fa nilaza ny mpanofa ilay trano fa tsy azy intsony ny trano fa efa novidiana olon-kafa. Nametraka taratasy fanoherana  » opposition » avy hatrany ilay lehilahy, akory indray anefa ny hatairany raha naheno fa misy raharaha hafa miandry azy indray ao amin’ny fitsarana mahakasika famindrana ilay trano na « homologation ». Nandeha ny famotorana ary fantatra fa ilay sakaizany no ao ambadiky ny zavatra rehetra. Tany Fenerive Est ity farany no voasambotry ny polisy noho ny resaka fisolokiana hafa koa. Naverina teto Antsirabe, nandritra ny fisavana azy no nahitana ny antontan-taratasy rehetra momban’i Hery  tany aminy. Fantatra tamin’ny famotorana fa nataon’io sakaizany io antoka nakany vola tamina mpampanjanam-bola ny trano. Navadik’ity farany ho fampivarotana avy hatrany anefa izany raha ny fanazavana voaray na dia fantany izao aza fa sandoka avokoa ireo taratasy. Tsy afa bela tamin’ny famotorana ilay sakaizany nampiasa taratasy sandoka sy nanakarama olona hangala tsonia sy hisolo an’i Hery,  nahiditra am-ponja avy hatrany moa izy roa niaraka tamina mpanera iray taorian’ny fitsarana azy ny 24 febroary lasa teo. Ankehitriny mivadibadika ny fandehan’ny raharaha satria misy ramatoa hafa mitory indray i Hery, milaza ity ramatoa ity fa natao varo-droa  ilay trano,  fantatra anefa fa tsy misy taratasy avokoa izany rehetra izany. Andrasana izay tohin’ny raharaha, ny hany fantatra dia  tompona orinasa iray misehatra amin’ny fiambenana « securité »  fanta-daza eto Antsirabe ity mpampan-jana bola voalaza etsy embony ity.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici