Niala tao an-tranony ny alatsinainy 12 may 2014 maraina, tokony ho tamin’ny 6 ora sy fahefany Randrianantoandro Gino Jean Jacques ( Gino) hamonjy ny toeram-pianarany. Tsy mbola niverina anefa izy hatramin’izao. Nambaran’ny teo anivon’ny sekoly fa tsy tonga tany am-pianarany izy tamin’io fotoana io. Kilasy fahenina ao amin’ny CEG Soamalaza i Gino. Koa iangaviana izay mahita azy na mahalala ny fisiany hiantso ny laharana 032 44 474 75 na ny 034 19 401 44 na hampandre ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra.
Antsirabe : Ombay mitady i Gino
Articles qui pourraient vous intéresser