Manani-bohitra mihitsy ny dahalo eto Antsirabe sy ny manodidina, omby 6 no lasan’ny dahalo tao Andrangy Antsirabe, ny alin’ny Talata lasa teo. Nisehoana fanafihan-dahalo indray tao Andrangy, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny dahalo nanafika ny tanàna. Avy hatrany, dia poa-basy no nasetriny vao niditra ny tanàna nampitahorana ny mponina. Tsy nisy sahy nivoaka ny fokonolona noho ny tahotra, atody miady amim-bato rahateo. Rehefa nilamindamin-dratsy vao nivoaka tsikelikely ny fokonolona ary niantso ny mpitandro filaminana. Niandry ny fahatongavan’ireto farany ny fokonolona ka nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Nizotra nankany amin’ny kaominina Belazao ny dian’omby, saingy tsy nisy tazana ireo dahalo fa omby iray no navelany teny an-dàlana. Na dia niezaka nanaraka ny dian’omby aza ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana, dia tsy nahitam-bokany izany ankoatra ilay omby iray. Matetika no làlana izoran’ny omby very iny ilany andrefana sy atsimo atsinanan’Antsirabe mihazo mankany Belazao iny ka izay omby mandalo ao dia tsy hita popoka avokoa ka ahian’ny olona ho misy dahalo mihitsy ao amin’io kaominina io.
Andry N.