Ny taona 1970 no nitsangana voalohany teto Antsirabe ny orinasa Socolait tamin’ny alalan’ny Nestlé. Orinasa mamokatra sakafo azo avy amin’ny ronono ny Socolait, vokatra azo tahirizana mandritra ny fotoana maro. Folo taona taty aoriana, namokatra lafarinana varimbazaha, farilac, ny orinasa ary tsy nitsahatra nivoatra ny zavatra novokariny nandritra ny taona maro nifandimby. Fantatra fa vao tsy ela akory izay no « certifié » ny orinasa, ka ho afaka hanondrana vokatra vita malagasy eo amin’ny ranomasim-be Indianina.
Mahatratra 250 ny mpiasa manodina sy mampandeha ny orinasa ankehitriny, 47 tamin’izy ireo no notolorana mariboninahitra sy mari-pankasitrahana, ka ny 4 nahazo ny « Ordre National », 1 kosa « Ordre de mérite ».
Tanjon’ity orinasa iray eto Antsirabe ity ny ho mpitarika eo amin’ny sehatry ny famokarana sakafo azo avy amin’ny ronono sy amin’ny fanangonana ronono, mba hanampy betsaka ireo tantsaha sy mba hisian’ny fampandrosoana.
Andry N.