Efa ho enin-taona lasa izao no nitrandraka ny toeram-pizahantany ao Ibity, na « site d’Ibity » ny MGB na Missoury Botanical Garden miara-miasa amin’ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Vakinankaratra . Misy ny faritra arovana ao amin’ity « site » ity, isan’izany ny tendrombohitr’Ibity; izay lasa toeram-pizahantany ankehitriny. Manana ny mampiavaka azy tanteraka ity havoana lehibe ity. Noho izay indrindra, dia nanokana fotoana miavaka ny ORTVA hanaovana « randonnée » mankeny amin’ny « site d’Ibity ». Hetsika fanaon’ny ORTVA ity « randonnée » ity, entina hanomezan-danja ny fizahantany eto Vakinankaratra, ary maro hatrany ireo vahiny no liana amin’izany, eny fa na ny mponina eto an-toerana aza. Hisy andiany efatra ny « randonnée » mankeny amin’ny havoanan’Ibity, ka ny voalohany dia hanainga ny Sabotsy 17 Oktombra izao, toy ny mahazatra hatrany dia misy fandraisana anjara na vahiny na teratany Malagasy te handray anjara amin’ity fizahantany an-tongotra ity. Ny andiany faharoa kosa ny datin’ny 24 Oktobra ary ny manaraka izay hijerena ireo zavamaniry entina hitsaboana aretina, dia ny 31 Oktobra. Marihina mantsy, fa maro karazana ireo zava- maniry tsy fahita eran’izao tontolo izao, raha tsy ao amin’ny havoanan’ Ibity ihany, fantatra ihany koa fa misy ireo biby tsy fahita loatra, hita ao ka isan’izany ny ranamavy izay volaza fa misy karazany telo, saingy mbola eo an-dalam-pikarohana ny tena fisiany marina ireo mpikaroka.
Hifarana ny 17 Novambra ny « randonnée Ibity » ka ity farany ity dia hiavaka fa ampiarahina amin’ny fanatanjahantena , ka hanasana ireo mpitia izany hoy i Rosette Randrianaivo filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Ortva.
Andry N.