- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Poleta fito saron’ny zandary, olona valo voasambotra

Antsirabe : Poleta fito saron’ny zandary, olona valo voasambotra

Mateti-pindranga ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato izay ary mazana maherivaika hatrany ny fisehoany. Nisy vaovao voaran’ny zandary mikasika fivarotana basy teto Antsirabe, efa ela no nahafantarana azy io hoy ny teo anivon’ny zandary ka nilaina maty paika tsara ny lamina mba hahafahana misambotra ireo voantonona. Natao ny velam-pandrika nilazana fa misy afaka mividy ilay basy, inona tokoa fa nijoboka ireo mpanao afera ka noraisim-potsiny ny Alakamisy 6 Jolay lasa teo. Basy poleta iray sy olona roa no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigady Andranomadio tamin’io fotoana io. Nitohy ny fanadihadiana lalina hoy ny fanazavana ka nitombo 5 no voasambotra. Ny iray tamin’izy ireo no voalaza fa mpitsinjara ny basy ka nahatratrana basy poleta 3 tany aminy, ny iray hafa kosa mpivarotra, mpaka tombony nahatratrarana basy poleta iray hafa koa. Ny iray moa izay volaza fa mpamatsy azy ireo dia voasambotra teny amin’ny fasan’ny karana. Miisa 7 noho izany ireo basy poleta saron’ny zandary, ankoatra izay dia mbola nisy bala 9mm 20 isa koa no tratra niaraka tamin’ireo basy ireo. Marihina moa fa dia raitra ary efa saika mitovy amin’ireny basy vita vahiny ireny mihitsy ireto poleta saron’ny zandary ireto, ny fahana ihany no tsy dia lavorary loatra rah any fahitana azy. Raha ny fanazavana anefa dia mety hampidi-doza ny fampiasana ireo basy ireo noho izy tsy manara-penitra fa endrika ivelany fotsiny ihany no mety. Ary manampy izany dia voaran’ny lalana tanteraka ny fampiasana azy ireo sy ny bala 9mm. Hatolotra ny fitsarana ireo 7 voasambotra saingy mbola anatin’ny fitokonana anefa ny mpitsara amin’izao ka tazomina ao amin’ny borigady hatrany ireo voasambotra ireo mandra pisokatry ny fitsarana raha ny fanazavana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici