Hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ny polisy vokatry ny fanaparitahana sarina polisy iray teo am-panaovana ny asany, narahina teniteny io sary io izay miendrika fanevatevana sy fanaratsiana.
Efa nahatratra efatra hatreto ny nandalo tao amin’ny polisy nanaovana fanadihadiana vokatry ny fanaparitahana ilay sary. Raha ny fanazavana voaray moa dia efa fantatra ny olona tena niavian’io sary io, ary eo am-pitadiavana azy ny mpitandro filaminana amin’izao. Nanamafy ny teo anivon’ny polisy fa tsy ho afa-bela ihany koa ireo izay nanao fanamarihana hafahafa miharo fanesoana, sy izay rehetra nanaparitaka ilay sary, fa tsy maintsy handalo fanadihadiana avokoa. Notsipihan’ny kaomisera divisionera Talily Damy tamin’ny resaka nifanaovana taminy fa voararan’ny lalàna ny famoahana sary tsy nahazoan-dalana tamin’ny tompony, indrindra fa manala baraka toy ireny niely tamin’ny “facebook” ireny. Maro tokoa mantsy ireo olona no makamaka sary etsy sy eroa ary manaparitaka izany haingana amin’ny “facebook”. Ity tambajotra ity izay efa tena andavanandron’ny olona mihitsy, tsy kely tsy lehibe fa dia samy efa manao azy avokoa. Misy lalàna mifehy anefa izy io anaty fehezan-dalana famaizana ka tokony hitandrina ihany ny tsirairay, indridnra amin’ny fanevatevana toy ny nahazo ity polisy teo am-panaovana ny asany ity.
Vesatra roa no hanenjehana ireo voampanga dia ny fanalanam-baraka imasom-bahoaka sy fanompana mpitandro filaminana amperin’asa.
Andry N.