- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ramatoa be naolana dia novonoina tao an-tranony

Antsirabe : Ramatoa be naolana dia novonoina tao an-tranony

Niely tamin’ny haino aman-jery teto Antsirabe ny filazana sy fikarohana ity ramatoa ity; izay tsy hita nandritra ny roa andro. Marihina fa olon-dehibe  tsy dia salama loatra izy io noho ny fahatapahana lalan-drà. Isa-maraina no mivoaka ny trano fonenany izy manatanja-tena. Ny Alakamisy 10 Septambra nefa no nahitan’ny mpiara-monina  azy farany ary nihevitra ireto farany, fa mety ho nivoaka toy ny fanaony ihany izy. Tsy izay anefa no nitranga, fa  ny zoma 11 Septambra taorian’ny fikarohana no nahafantarana fa maty nihidy tao amina efitra iray misy ny  trano fonenany ihany izy. Ny fanadihadiana teny an-toerana no nahalalana fa maty nisy namono izy, satria mbola tazana teo amin’ny faritry ny tendany ny nanakendana azy ary voalaza fa nisy nanolana  ihany koa.Tao amin’ny fokontany Atsinanan’Ivohitra no nisehoan’ity tranga ity, ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Lehilahy niasa  tao amin’ilay ramatoa no ipetrahan’ny ahiahian’ny mponina sy ny fianakaviany. Fantatra, fa ny alakamisy teo io lehilahy io no nilaza fa tsy hiasa ao aminy intsony ary nangataka ny karamany, ka teo no nahitana io lehilahy io farany. Tombana anefa izany, fa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana no tena hahalalana ny marina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici