Ramatoa iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no hita faty tao anaty lava-drano, omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 11 ora, tao Andranomadio Antsirabe.
Nampivarohantsana ny maro ny nahitana ity vehivavy hita faty tao Andranomadio ity. Efa namoaka fofona mantsy ilay razana ary manano sarotra ihany ny hamantarana ny endriny. Raha ny fahitana ny razana ety ivelany aloha dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity ramatoa ity. Nivoaka be mantsy ny lelany, nifatotra ny tanany roa ary nahitana faritra toy ireny nogiazana ireny ny tendany. Ankoatra izay dia nosaronana lamba ny lohany ary nofonosina kitapo ny vatany. Toy izay ny endrika namoahana ilay razana tao an-dava-drano, io marain’ny alatsinainy teo io.
Mpanasa lamba iray handeha hanao ny asany no nahita ny razana. Toy ny asa fanaony ao amin’ity tokantrano iray mpampiasa asa azy ity dia hanasa lamba no anton-diany isaky ny alatsinainy. Marihina fa manana paompin-drano ity fianakaviana iasany ity, saingy ny rano amin’ny lava-drano kosa no fanasana lamba sy fanondranohana zaridaina, ka isan-kerinandro ihany noho izany ilay mpanasa lamba vao mampiasa ilay lavaka. Teo am-panokafana ilay lava-drano ity farany no naheno fofona ratsy be, ary nahita zavatra mifono anaty kitapo mitsingevana ao anaty rano. Noheveriny fa fatim-biby ity tazany, saingy rehefa nojereny tsara dia tongotr’olona misabaka be no tazany. Nampandre ny tompon-trano avy hatrany ilay mpanasa lamba ary nampiantso ny zandary avy eo.
Tonga tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny BMH nanao ny fizahana sy nampiakatra ny razana. Ny nahavariana ny maro dia tsy nisy nahafantatra ilay ramatoa ny teo an-tanana ary faritra mifefy tsara no misy ilay lava-drano, sady tsara sarona ihany koa. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharahara ary misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.