Ramatoa iray antsoina hoe Rasoa, manodidina ny 40 taona eo no maty teo amoron-dalana omaly Alarobia, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany antoandro tao Andranomandevy Antsirabe.
Olona mipetraka eny amin’ny faritry ny fokontany ihany izy ity ary saika mahafantatra azy avokoa ny manodidina. Nambaran’ireo mponina miara-belona aminy, fa manana aretina kitoratorana izy io no sady manana fahasembanana ara-batana ary sahirankirana ara-pivelomana. Mangataka eny amin’ny manodidina sy manamorona ny tsenan’ny tantsaha eo Atsimontsena sabotsy no fanaony. Rehefa mahazo vola izy dia mandeha misotrosotro ary matetika no mamo, izy anefa io manana aretina io. Fantatra ihany koa fa notezaina teny amin’ny masera Mandaniresaka izy, saingy nandositra teny roa volana lasa izay, ka io niverina nangataka io indray.
Tsy fantatra marina moa izay tena nitarika azy tamin’ny fahafatesana izao, fa tsikaritra tamin’ny nahitana ny razana fa nivoaka rà ny vavany. Raha ny fitantaran’ny nahita azy, dia naka sisiny teo amoron-dalana izy io tolakandro io, nitolefika ary nianjera dia tsy tafarina intsony fa namoy ny ainy teo.
Tonga teny an-toerana ny polisy niaraka tamin’ny BMH nanao fizahana sy naka ny razana. Namela kamboty iray ity mananontena ity.
Andry N.