- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ramatoa nangala-jaza, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Antsirabe : Ramatoa nangala-jaza, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tsy honohono intsony, araka ny feo re etsy sy eroa,  ny resaka hala-jaza eto Antsirabe  fa tena misy tokoa. Ramatoa iray mantsy  no tratran’ny fokonolona nangala-jaza tao  Ambalavato Atsimo,  omaly tolakandro.Tokony ho tamin’ny roa ora latsaka fahefany no naharay antso avy tamina olon-tsotra ny Filoham-pokontany ao Ambalavato atsimo, nilaza fa misy mpangala-jaza voasambotry ny fokonolona ao amin’ny fokontany iadidiany. Efa vory marobe ny olona tamin’ny fotoana nahatongavan’ny sefom-pokotany, ary maro no nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka avy hatrany. Soa fa tonga aloha ny mpitandro filaminana ka voasakana ihany ireo fokonolona maro be efa nentin-katezerana mafy.

Ramatoa lehibe iray, manodidina ny 40 taona, ity voalaza fa nangala-jaza ity. Zazavavy kely vao 3 taona monja no nobatainy ka saika nentiny nandositra niaraka taminy. Nitomany be anefa ilay zaza ka taitra ny tao  an-trano nivoaka nijery azy. Akory  ny hatairana nahita ilay ramatoa nibata ilay zaza. Raikitra ny fanenjahana ka tsy lasa lavitra ilay ramatoa dia tratran’ny fokonolona. Rehefa nojerena koa teny aminy dia ny kavina volamen’ilay zaza no efa nalainy. Rehefa nosavaina ihany koa ity nahavanon-doza ity dia mbola nahitan’ny olona kavina maromaro tany aminy. Tombanana ho irony mpangalatra volamena irony koa izany ity ramatoa ity, fa ny tena nanaitra ny maro dia ny nibatany ilay zaza. Nahagaga ny maro ihany koa ny fahitana laharana fiara iray tany aminy sy laharana finday, izay saika nopotehiny saingy azon’ny fokonolona ihany. Adrasana noho izany ny mety ho tohin’ny tantara. Efa eo ampelatan’ny mpitandro filaminana rahateo ny raharaha.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser