- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ramatoa tsy nahazaka hafanana, namoy ny ainy tao anaty taxi-be

Antsirabe : Ramatoa tsy nahazaka hafanana, namoy ny ainy tao anaty taxi-be

Vehivavy tokony 40 taona teo no maty nitsitra tao anaty taxi-be ny alatsinainy atoandro lasa teo tao Antsirabe. Vao tafiakatra tao anaty taxi-be ramatoa dia niferotr’aina fa mafana loatra ny andro. Tera-tsemboka aok’izany ny tanany sy ny tongony ary ny tarehiny. Tsy nangina mihitsy izy na dia efa nandeha elaela ary ny taxi-be. Tsy rototra anefa ny be sy ny maro satria saika mimenomenona avokoa ny mponin’Antsirabe manontolo amin’ny hafanana. Tampoka teo, nihinjitsindritra teo ilay madama ary avy eo safotra tsy nahatsiaro tena. Nentina namonjy hopitaly izy saingy tsy tana intsony ny ainy. Tsy mbola fantatra hatreto ny fianakaviany. Tany aminy rahateo tsy nisy taratasy nahafahana namantatra azy. Nisy tamin’ireo ray taxi-be taminy nilaza fa nivoaka tao amin’ny orin’asa COTONA izy. Nisy mihitsy aza nanamafy fa mpiasa ao. Rehefa nantsoina anefa ity farany dia nilaza fa tonga niasa avokoa ny mpiasany rehetra na dia tao aorian’io loza io ary. Natolotra ny manam-pahefana ao Antsirabe ny raharaha ary efa manao ny fanadihadiana izy ireo. Tafiakatra 40° C ny mari-pana farany ambony ary 15° ny farany ambany. Mihorohoro sy matahotra ny mponin’Antsirabe vokatry ny hafanana be loatra. Ireto farany koa zatra hatsiaka.

Voarisoa Davidson

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici