Ramatoa lehibe iray andeha hamonjy tsena no voaendaka sy vorasan’ny antsy tao Andranomandevy Antsirabe. Faritra iray isan’ny mafampana amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto Antsirabe ny ao Andranomandevy ao, malaza ratsy amin’ny fanendahana sy hala-botry ary vaky trano. Ramatoa iray tokony ho 40 taona mahery kely eo no voandeka sy naratra mafy vokatry ny fira antsy nahazo azy ka niditra hopitaly mihitsy. Fanaon’ireo tantsaha manodidina eto Antsirabe no miainga vao maraim-be manodidina ny amin’ny 2 ora maraina manatitra vokatra ao amin’ny tsenan’ny tantsaha ao Atsimotsena Sabotsy ka saretin’omby no fitanterana ny entana. Niaraka tamin’ireo sarety ireo ilay ramatoa saingy nisy entany lasa aloha ka voatery nisongon-dalana izy nanenjika ny entany. Zava-doza anefa ny nahazo azy nony tonga teo aminan’ny sampanana somary maizimaizina fa nisy lehilahy iray nitondra antsy maranitra nanakana azy. Nilaza ilay ramatoa fa tsy misy vola any aminy fa vao andeha hivarotra « kotomila » izy no sady nifompona. Niaro tena ihany ilay ramatoa noho ny daroka nahazo azy ka nofirain’ilay jiolahy ny antsy ny lohany sy tanany. Naratra mafy ary voatery niahiditra hopitaly mihitsy ka ny Alarobia lasa teo no fantatra fa nivoaka ny hopitaly rehefa avy nanaraka fitsaboana nanditra ny dimy andro. Mazava fa tsy nisy na dia ariary aza azon’ilay jiolahy, ireo sarety avy taty aoriana kosa no namonjy ilay ramatoa.
Andry N.