Saron’ny polisy ihany koa ilay lehilahy nahavan-doza namono ilay ramatoa be nipetra-drery, nonina tao Atsinanan’ivohitra.
Roa andro no tsy nahitana ilay ramatoabe ka nametraka fitarainana teny amin’ny polisy ny fianakaviana. Ny alin’ny 11 septambra no nopitsohina ny efitrano fatoriany ka tao no nahitana azy efa tsy nisy aina intsony. Nantsoina ny mpitandro filaminana sy ny BMH nanao fizahana ny razana ka tamin’izany no nahalalana fa maty nisy namono ilay ramatoabe tokony ho 57 taona eo. Mbola hita namaritra tamin’ny tendany ny dian-tady nanakendana azy. Tsy iza no nahavanon-doza fa ilay lehilahy mpanampy azy tao ihany. Nitsoaka tany Mampikony io mpanampy io rehefa nahavita ny asa ratsiny niaraka tamin’ny vola 2 tapitra mahery. Ny fianakaviany no voalaza fa nanafina azy, ary avy eo nampandosirina tao Antananarivo. Nitohy ny fanadihadiana ka olona tsara sitra-po no nampandre ny polisy fa ao Ivato indray no misy azy. Ny 22 septambra teo, sarona tao Ivato ilay nahavanon-doza, mbola tavela tao amin’ny compte findainy kosa ny vola 2 tapitrisa ariary. Efa natolotra ny fampanoavana ny alarobia teo izy sy ny dadatoany niray tendro taminy tamin’izao famonoana olona niniana natao izao.
Andry N.