Tandindinin-doza ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa mpikambana ao amin’ny CNaPS hoy Barison Rakotomanga sekretera jeneralin’ny Randrana Sendikaly nandritra ny fametrahan’izy ireo ny taratasy fitakiana mikasika ny fangalarana ny volan’ny mpiasa tao amin’ny CNaPS, nandritra ny fandalalovany teto Antsirebe. Efa nivoaka ny didim-pitsarana tamin’izany kao izao miroso amin’ny fitakiana izao ny Sendikaly. Ankoatra izay efa nivoaka ihany koa ny filazana fa ho lasa Madagascar Air Lines ny Air Madagascar, mampitaintaina ny zava-misy hoy hatrany ity sekretera jeneralin’ny Randrana Sendikaly ity satria efa maty antoka tany amin’ny Air Austral isika. Tsy vitan’izay fa mbola misy ihany koa ny fanakaramana ny mpanazatra ny Barea teo aloha 150 tapitrisa ariary, sokajian’ny Randrana Sendikaly ho fandanindaniam-poana avokoa izany.
Mihoa-pampana ny fandanindaniam-poana ataon’ny fanjakana ny volan’ny mpiasa satria dia fanoloana ny sary famantarana na » logo » an’ny CNaPS avy no handaniana vola be tao amin’ny Carlton hanaovana fety hoy hatrany ny Randrana Sendikaly nefa rehefa misy mahazo ny mpiasa dia takiaka daholo izao rehetra izao mba tsy hahazoan’ny mpiasa ny zony sy ny tombontsoany. Ohatra amin’izany izay tafiditra anaty fangatahana ny fanalavam-potoana handoavana ilay tolo-tanana ho an’ny mpiasa voaroaka tamin’ny asany. Mahitsy ny fitakiana, atsaharo ny fifanarahana tamin’ny mpanazatra ny barea teo aloha. Tsy ekena ary hanentanana ny sendika rehetra ny hanipaka marindrano ny hoe ho isan’ny « institution » hakana vola ho an’ny resaka « fonds souverain » ny ao amin’ny CNaPS. Marihina fa niditra amin’ny efa taona faharoa mikasika ny atao hoe fandaharana amin’ny resaka asa mendrika i Madagasikara, kasinga fahatelo amin’ny asa mendrika anefa ny fiahiana ara-tsosialy, manamafy ary manamarina tsara ny fitakiana izany hoy hatrany ny Randrana Sendikaly.
Andry N.