- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Rangahibe, maty irery tao an-tranony

Antsirabe : Rangahibe, maty irery tao an-tranony

Hatramin’ny niantombohan’ny taona vaovao izao dia roa amin’ity ny olona maty irery tao an-tranony ary efa olon-dehibe nahazo taona avokoa izy ireo. Rangahy be iray indray mantsy no maty irery tao an-tranony ny alakamisy 12 janoary lasa teo. Tao amin’ny fokontany Mahazoarivo no nitrangan’ity toe-java mampalahelo ity. Tsy misy izay tsy mahalala ity rangahy ity raha ny manodidina sy ireo mpivarotra akaiky azy, voalaza mantsy fa tena sahirana ara-pivelomana izy ary matetika tato ho ato no efa mangataka sakafo sy kafé amin’ny manodidina mihitsy izy noho ny fahantrana mianjady aminy. Fantatra fa miara-mipetraka aminy ny zanany iray, saingy miala maraim-be ity farany mandeha mikarama ka tsy miverina raha tsy hariva. Loza anefa no niandry azy io alakamisy io fa vatana efa mangatsiaka no novantaniny tao an-trano. Niantso ny manodidina izy hamonjy azy, saingy efa tsy misy aina intsony ity rainy, ary nanano sarotra mihitsy ny nanatsotra ny razana satria efa nihinjitra be. Midika izany fa efa ora maromaro no nahafaty ilay rangahy, tombana moa no hilazana fa mety ho ny  marainan’io no efa tsy nisy  aina intsony ilay rangahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici