Rangahy iray manodidina ny 50 taona eo ho eo, efa tsy nisy aina intsony,
no hitan’ny olona nivalampatra tao atsimon’ny fiantsonam-pitaterana
tao Vatofotsy – Antsirabe. Nanaitra ny maro sendra nandalo ny nahita ilay razana nivalampatra teo amoron-dalana ny marainan’ny talata 10 desambra lasa teo. Araka ny loharanom-baovao teny an-toerana dia mpanangom-bokatra no anton’asan’ity rangahy hita faty ity ary nikasa hanao ny asa fanaony andavan’andro any amin’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra izy izao hita faty izao. Araka ny fizahana nataon’ny BMH sy ny fianakaviana dia feno ratra avokoa ny vatan’ilay rangahy, ary mangana sy feno fery ny tavany. Feno ratra toy izany ihany koa ny lohany ary voalaza fa vaky mihitsy ny karan-dohan’ilay rangahy. Mazava noho izany fa nisy namono ity lehilahy mpanangom-bokatra ity ; tsy nisy na inona na inona intsony teny aminy afa-tsy ny karapanondrony. Tsy fantatra mazava ny vola lasan’ireo jiolahy nahavanon-doza. Ny fanadihadiana no hahafantarana ny mombamomba azy. Fantatra moa fa avy ao Ambohimandroso gara no tena fiaviany.
Andry N.
Antsirabe : Rangahy hita faty, feno ratra ny vatany
Articles qui pourraient vous intéresser