Rangahy lehibe manodidina ny 50 taona eo ho eo no hita faty omaly teny an-tanimbary, tao Antsongo Antsirabe. Manam-bady ary niteaka telo ity raim-pianakaviana ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Tsy fantatra marina izay tena nahazo ity raim-pianakaviana ity fa vatana efa tsy misy aina intsony no nahitan’ny olona azy omaly maraina be. Raha ny fantatra dia efa ny alin’ny alatsinainy izy no tsy nody tao an-trano, efa nitaintaina ny fianakaviana tamin’izany satria tsy dia fanaony loatra ny manao toy izany. Ny talata maraina be, olona sendra nandalo no nahita azy efa mitsirara ao an-tanimbary. Nampandre ny manodidina avy hatrany ity farany sady nitsoka kiririoka nanairana ny mponina. Nampandrenesina koa ny fokontany sy ny mpitandro filaminana ary vetivety dia tonga teny an-toarana nanao ny fizahana niaraka tamin’ny BMH. Tsy nahitana ratra na mangana ny vatan’ilay rangahy, izany hoe tsy matin’ny daroka izany ity rangahy be ity. Tombanan’ny fianakaviany fa tamin’ny alina no nahafaty ity havany ity,ary misitery ho azy ireo izao namoizany ny havany izao. Efa any amin’ny fianakaviany ny razana.
Andry N.