Rangahy iray efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny olona nivalampatra teo anoloan’ny Tranoben’ny Kolontsaina, ny alatsinain’ny pantekosta teo. Voalaza fa nijery hiragasy ity rangahy ity ny alahady talohan’ny nahafaty azy, nisotrosotro izy ary mamo ka tsy tafody intsony fa resin’ny torimaso teo anoloan’ny Tranoben’ny Kolontsaina. Tsy fantatra mazava ny nahazo ilay rangahy na ny hamamoana na ny hatsiaka fa dia izao izy nindaosin’ny fahafetesana izao. Fantatra ihany koa fa mpitari-posy no asany. Ny marainan’ny alatsinainy teo no nalain’olona ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy.
Andry N.