- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Rangahy itoeran-javatra, mahavita mamoha varavarana roa sosona mihidy be

Antsirabe : Rangahy itoeran-javatra, mahavita mamoha varavarana roa sosona mihidy be

Isehoan-javatra hafahafa hatrany eto Antsirabe tato ho ato izay. Ankoatra ireo tranga nampivarahontsana ny maro, araky ny efa notanterina teto dia nisehoana zavatra mahavariana indray tao amina trano fisakafoana iray teny Vatofotsy.  Ny marainan’ny Talata lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany no nisy rangahy iray, mitondra sainam-pirenena, sy mibaby sakaosy kely no avy hatrany dia nandohalika sy niankohoka teo amin’ny varavaran’ilay trano fisakafoana. Toy ireny mivavaka sy manompo zavatra ireny no nataony, hoy ny loharanom-baovao. Minitra vitsy taorian’izay, indro fa nisokatra avy hatrany ny varavarana fidirana. Varavaram-by izy io. Nanamarika anefa ny nanatri-maso, fa mihidy ary sarotra vohana tokoa io varavarana io. Nanohy ny fihetsiny hatrany ilay rangahy ary toy  izany  koa dia nisokatra ny varavaram-pitaratra faharoa. Nitsangana ilay rangahy nony avy teo ary niditra ny trano toy ireny tsy mahatsiaro tena ireny. Niezaka nanakana azy ihany ny mpiambina ny Tanàna, saingy tsy nahasakana mihitsy, voalaza fa matanja-be io rangahy io. Nony farany nalefan’ny mpiambina ny anjomara fanaraina raha misy loza. Taitra ny tompon-trano  ka avy hatrany dia nidina nijery ny zava-misy, fantatra mantsy, fa ao amin’ny ambony rihana ihany ity farany no monina. Niara- nanakana ilay rangahy avy teo, saingy tsy nahasakana. Votery niantso namana fanampiny ny tompon-trano vao voatazona ilay rangahy. Voafehy ihany ilay rangahy nony farany ary rehefa nohadihadiana izy dia  nilaza fa tamin’ny Alatsinainy hariva no tonga teo Antsirabe ary tsy fantany akory ny fomba nahatongavany teto. Isan’ny fanazavan’ireo nisambotra moa ny hoe entin-javatra ilay rangahy na nidiran’ny devoly.  Efa any amin’ny mpitandro filaminana moa io rangahy io amin’izao fotoana, miandry ny fanadihadiana hatao aminy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici