Nalain’ny havany omaly talata 16 Desambra teto Antsirabe, ny nofo mangatsiakan’ireo razana roa vavy hita tao amin’ny farihin’Andraikiba ny alahady lasa teo.
Fantatra tokoa, fa tsy avy eo amin’ny manodidina na avy eto Antsirabe ireo roa vavy natsingevan’ny rano tao Andraikiba, fa olona avy any Ilaka Centre. Mpianatra ao amin’ny lisea any Ilaka izy roa vavy, samy nanala bakalorea farany teo, saingy tsy nisy afaka. Notsipihan’ny fianakaviana naka ny razana anefa, fa tsy nisy olana tamin’ny tsy fahafahany fanadinana izy ireo. Nambarany ihany koa, fa tsy manana olam-pitiavana na fahadisoam-panantenana na manana fahavalo izy roa, ka mety hitarika azy amin’ny famoizampo ka hamono tena. Raha ny fanazavan’ireo fianakaviana naka ny razana hatrany, dia ny alarobia 10 desambra no tsy nody an-trano izy roa raha hianatra no nialana tao an-trano. Samy niezaka nikaroka azy ny fianakaviana roa tonta, saingy tsy nahitam-bokany izany. Nilazana avokoa rehefa fianakaviana, ka havana iray avy eto Antsirabe no nahita vaovao ka nampandre tany amin’ireo ray aman-dreniny ny zava-nisy taty Antsirabe. Tsy nisy azo atao intsony fa dia vatana mangatsiaka sisa no novantanin’ireo fianakaviana.
Hatreto noho izany, dia tsy fantatra mazava ny tena nahafaty azy roa vavy ireto, ary fanontaniana mipetraka ihany koa ny nahatongavany teto Antsirabe sy ny nahitana ny nofo mangatsikany tao Andraikiba.
Andry N.