- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Riry, 35 taona nandrariana akoho

Antsirabe : Riry, 35 taona nandrariana akoho

Fialam-boly isan’ny mahasarika olona maro eto Antsirabe ny fampiadiana akoho. Saika feno hatrany ireo toeram-pampiadiana misy eto Antsirabe amin’ny andro tsy fiasana. Ilana fikarakaraina anefa ireny akoho mpiady ireny alohan’ny hiaka-tsehatra. Isan’ireo mpikarakara akoho ringi-bolo Razafimanantsoa Jean Francois Eric, na i Riry no amantaran’ny maro azy eto Antsirabe. 35 taona nandrariana akoho ny lehilahy ary saika efa mahafanatra azy avokoa ireo mpitia akoho eto Antsirabe. Ny hoe mandrary akoho dia mameno ireo elatr’akoho na rambon’akoho tapaka, ampifanohizana amina volon’akoho hafa, hoy Riry raha  nitafa taminay. Tsy ilana fitaovana maro fa volon’akoho no fitaovana ampiasana, ary zairina amin’ny kofehy sy fanjaitra. Ireo ihany no ampiasana, hoy Riry, saingy ilana fahaizana sy fahazarana ny manao azy. Fony mbola kely aho dia efa nandrary akoho, satria nanao izany ny ray aman-dreniko. Niampita ny fahaiza-manao sy ny traikefa  dia mitazona izany aho ary mahavelona ahy ny asa rehefa vanim-potoana toy izao. Manomboka ny volana aprily ka hatramin’ny  desambra no tena maha betsaka ireo mandrary akoho. Mahatratra hatramin’ny 10 isan’andro ny akoho rariany amin’izao ka manodidian ny 5000 ariary no handrariany ny akoho iray, arakaraka ny elatr’akoho tapaka. Tsy eto Antsirabe ihany no iasany fa maro ireo any amin’ny faritra no miantso azy, toy ny any Ambositra, Imady,  Miandrivazo, Morondava, , Mandoto, Antanifotsy ary Ambatolampy.  Nambaran’i Riry fa tsy mampiady akoho ny tenany fa mijanona ho mpikarakara fotsiny ihany. Saika afa-po daholo ireo mpiantso azy ka izany no hametrahan’ny olona fitokisana aminy ka hitetezany faritra.
Nangonin’i Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici