- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Roa lahy nitondra basy nanendaka, saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray

Antsirabe : Roa lahy nitondra basy nanendaka, saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray

Mpivarotra mpamongady iray monina ao amin’ny parc de l’Est no notafihan’ny bandy roa lahy ny alarobia hariva lasa teo. Nitondra basy sy antsy lava ary « barre a mine » izy roa lahy ireo. Teo am-pivoahana ny trano fivarotana, teo am-pamelomana môto izy mivady no avy hatrany ny roa lahy nanatona sy nandrahona ary nisitona ny poketran’ilay ramatoa. Nanohitra ilay rangahy ary nifampitolona tamin’ny iray. Ramatoa kosa niantso vonjy. Nitifitra avy hatrany anefa ilay jiolahy saingy tsy nahavoa, nikasa mbola hitifitra fanindroany saingy tsy nety nofahanana intsony ny basy fa niraikitra ny taim-bala. Marihina fa basy calibre 12 vita gasy izy io. Soa aloha fa nisy tsy fetazany ilay basy fa saika zava-doza. Nandritra izany no tonga ny fokonolona nanampy ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray. Nalaky tonga ny FIP manao fisafoana ka ireto farany no nitondra ilay jiolahy notsaboina any amin’ny hopitaly. Nifanenjahana ny iray saingy tafaporitsaka. Efa fantatra kosa ny mombamomba an’io iray io ary efa mandeha ny fikarohana azy raha ny nambaran’ny kaomandin’ny FIP eto Antsirabe.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici