- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Roa lahy tsy manan-kialofana hita faty

Antsirabe : Roa lahy tsy manan-kialofana hita faty

Raim-pianakaviana ny iray, manodidina ny 40 taona eo, manan-janaka iray tokony ho 12 taona eo io rangahy io. Tsy manan-kialofana izy mianaka fa matory eny rehetra eny ary zara raha mahita asa hivelomana. Voalaza, fa matetika izy  no mamo, ankoatra izay anefa  manana aretina mitaiza ary efa niditra hopitaly tamin’izany. Tsy tana ny ainy ny Alatsinainy lasa teo, vatana tsy misy aina intsony no nahitan’ny olona azy teo amin’ny toerana fatoriany tao amin’ny toby fiantsonana “piste”. Niely ny vaovao ary tamin’io fotoana io no nanambaran’ilay zanany, fa manana fianakaviana ihany izy ireo eto Antsirabe. Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray ihany koa no namoy ny ainy, ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Tsy manan-kialofana ihany koa ity farany, fa mpatory an-tsena izy sy ny ankohonany. Mbola azo nentina teny amin’ny hopitaly ihany ilay rangahy, saingy tsy tana intsony ny ainy. Fantatra, fa nandoa sy nivalana rà io rangahy io; izay nitarika ny fahafatesany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici