Roalahy mpihavana, no indray maty nilatsahan’ny varatra tao Mandray, ny harivan’ny Alarobia 18 Martsa teo.
Raha somary niato kely ny ora-mikija teto Antsirabe, telo andro lasa izay, dia avy nivatravatra kosa izany ny Alarobia teo ary narahina kotro-baratra mafy dia mafy. Raha ny tsikaritra, in-telo nipoaka ny varatra raha teto amin’ny faritr’Antsirabe sy ny manodidina. Re fa tao Mandray, atsinanan’Antsirabe no nilatsaka ny varatra iray. Nisy roalahy avy niasa teto Antsirabe handeha hamonjy fodiana any Mandray no nilatsaham-potaka, ka maty teo no ho eo. Tsy nisy nahita na nahafantatra ny nanjo azy ny fianakaviany tamin’io fotoana io. Tsy tonga tany an-tranony izy roalahy ny alina ka nanaitra ny fianakaviana, tsy fanaony rahateo izany. Ny maraina vao samy nitady izay mety hisy azy ny havany. Akory ny hatairan’izy ireo nahita ny havany efa mitsidraka tao amina trano iray mbola tsy vita. Fantatra fa nialoka tao izy roa lahy ireto vokatry ny ora-mikija, nefa izao nilatsaham-potaka izao. Araka ny fanazavana hatrany, dia voalaza fa levon’ny varatra ny lelany, tranga efa fahita matetika rehefa misy varatra latsaka toy izao.
Matetika rehefa fotoam-pahavaratra toy izao, dia ahenoana varatra milatsaka eto Antsirabe, indrindra any amin’ireo toerana somary ambanivohitra.
Andry N.