Fiara taxi-brousse iray manao zotra Antananarivo-Toliary no nahatrarana rongony milanja 18 kg. Nokasaina haondrana ao Antananarivo ireo rongony ireo, izao sarona teto Antsirabe izao. Nandritra ny fisavana mahazatra fanao amin’ireo fiara mivezivezy amin’iny lalam-pirenena fahafito iny no nahatrarana ireo rongony 18 kg ireo. Nofonosina anaty harona plastika mainty ireo rongony ireo. Raha ny fanazavana avy teo amin’ny polisy, dia entana nampitondraina ny mpamily ireo rongony ireo. Tsy afa-bela amin’ity raharaha ity noho izany ilay mpamily sy mpanampy mpamily iray raha ny fanazavana. Tsy nisy nilaza ho tompon’ny entana rahateo tamin’ireo mpandeha rehetra. Fantatra fa hisy ny fanadihadiana hatao miaraka amin’ny polisy ao Toliary hitadiavana ilay olona nampitondra ireo rongony ireo sy ny olona hanondranana azy. Mazàna tsy afa-bela eto Antsirabe ireo mpanao trafika mampiasa ny lalam-pirenena fahafito iny. Saika eto avokoa no sarona ireo mpanao afera, raha tsy saron’ny polisy dia saron’ny zandary avy amin’ny BPR.
Andry N.
Antsirabe : Rongony 18 kg saron’ny polisy
Articles qui pourraient vous intéresser





