- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Rongony telo gony sy paraky gasy 30 kg saron'ny zandary...

Antsirabe : Rongony telo gony sy paraky gasy 30 kg saron’ny zandary

RONGONYNahitana vokatra indray ny fisavana mahazatra fanaon’ny zandary avy amin’ny BPR  eto Antsirabe, amin’ireo fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena fahafito iny.

Sarona ny alarobia maraina tokony ho tamin’ny 7 ora, tao Vinaninkarena mantsy ny rongony telo gony niampy paraky gasy 30 kg. Lehilahy  roa no voasambotra; izay marihina fa olona roa samy hafa ireo fa iray fiara fotsiny ihany. Nafatratra tanaty gony ny paraky gasy, raha natao tsara pirina tanaty  koveta kosa ny rongony sahabo ho 50 kg, raha ny fanazavana avy amin’ny borigady hatrany. Tsy kely làlana tokoa ny ratsy, fa saika mahita hevitra hatrany ry zalahy hanondranana zavamahadomelina. Raha tazanina avy ety ivelany ireo  entana  hoy ny kaomandin’ny BPR , dia toy ireny entam-barotra hamidy ireny, hay rehefa nosavana dia rongony maro no nifatratra tao anatiny. Vaovao avy tamina olona tsara sitra-po no nahafantarana fa misy fiara mitondra rongony handalo ao , ka niainga tamin’izany ny fanadihadihana sy ny fisavana. Fiara mpitatitra iray  avy any Toliary hoany Morondava, no nahitana ireto zavamahadomelina ireto. Nambaran’ny Lietna Lovasoa tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny vondrontobim-pileovana eto Vakinankaratra, fa mivadika ho fandikan-dalàna ny fitondrana sy fivarotana paraky gasy, raha toa ka tsy nahazoana alàlana, ankoatra ny orinasa OFMATA .

Notsipihan’ny teo anivon’ny zandary, fa saika ahitana vokatra hatrany ny fisavana mahazatra  fanaon’ny  zandary amin’ireo fiaram-pitanterana mandalo eto Antsirabe. Raha tsiahivina mantsy, vao tsy ela akory izay no nitanterana teto ny fahatratrarana ireo  jolahy fito nikasa hanafika tany atsimo, niaraka tamin’ny basy, taoVinaninkarena hatrany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser