Efa voasokajy ho isan’ireo faritra mena eto Antsirabe II ny kaominina Sahanivotry ankehitriny, noho tsy fandriam-pahalemana. Tranga mateti-piseho ny fanafihana sy vaky trano izay hita fa nahazo vahana tokoa tato ho ato raha ny fanazavana voaray.
Jiolahy 5 lahy no saron’ny zandary ny 06 jona lasa teo, vao avy namaky trano mihitsy ireto farany no voasambotra. Mpivarotra iray no lasibatra tamin’ny fanafihana ny alin’ny 6 jona 2014 io ka vola 650.000 ariary no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Sady voadaroka ilay ramatoa tompon-trano no voavazavaza sy voaompa, voambana tamin’ny antsy kosa ny zanany vavy mba hanerena ilay ramatoa hamoaka ny vola. Rehefa izany dia nandositra ireo jiolahy, izay voalaza fa manodidina ny folo lahy teo ho eo. Fotoana fohy taty aoriana, tonga ny fokonolona teo an-tanàna nijery ny zava nitranga. Tsikaritr’ilay ramatoa voatafika fa niharo tamin’ny vahoaka ireo jiolahy vao avy nanafika azy, tadidiny ny endriny ary isan’ny porofo nahafantarany azy ny fofon-drongony tamin’ny vavany. Tsy nisalasala ity farany nanondro ireo jiolahy ka teo no ho eo ihany dia niroso tamin’ny fisamborana ny zandary, ka dimy no voasambotra. Natao ny fisavana ny tranon’izy dimy lahy ireto ka nahitana rongony tokoa.
Nanamarika ny Ltn Lovasoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny vondrontobim-pileovana eto Vakinankaratra, fa fiaraha-miasa amin’ny vahoaka no isan’ny paikady mahomby hamongorana ireo jiolahy ka manentana hatrany ny vahoka ity farany amin’ny fanomezana fanampim-baovao fa hotazomina ho tsiambaratelo izany. Natolotra ny fitsarana omaly alatsinainy izy dimy lahy voasambotra.
Andry N.