- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Saika hamidy 10 tapitra izy mianaka, voasambotra ny atidoha...

Antsirabe : Saika hamidy 10 tapitra izy mianaka, voasambotra ny atidoha nikotrika

Tsy tsaho intsony fa tena zava-misy ny fivarotana olona teto Antsirabe, saron’ny polisy avy ao Ambohimena mantsy ny  olona 5 mianadahy nikasa hivarotra olona.

Raha ny resaka halatra taova no nalaza teto Antsirabe fotoana maromaro lasa izay, nefa tsaho ihany io resaka mandeha io raha  ny fanazavana nomen’ny polisy, dia zava-nisy kosa ny fikasana ratsy hivarotra olona. Vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany no saika nisy hivarotra. Nisakaiza tamin’io vehivavy  manan-janaka kely io ny lehilahy iray antsoina hoe Le Naivo. Ity farany no voalaza fa atidoha mikotra ny bizina rehetra sy lehiben’izy dimy voasambotra. Fantatra fa vao avy nivoaka ny fonja koa ity Le Naivo ity. Rehefa niaraka taminy tokoa ilay vehivavy dia nentiny tany an-tranony. Tsy navelany hivoaka tao  intsony fa nogiazany tao izy mianaka  nandritra ny 4 andro. Naniraka olona hitady mpividy Le Naivo avy eo ka ireo no nanaovan’ny polisy vela-pandrika. Polisy ihany no mody natao mpividy, avy eo, ka noraisim-potsiny ireo olon-dratsy. Dimy no voasambotra ka ny roa vehivavy.  Volaza fa 5 ka hatramin’ny 10 tapitrisa no saika hamarotana azy mianaka ireto. Marihina moa fa efa nisy tranga hafa toy ity niseho teto Antsirabe ity tamin’ny volana martsa, ary tovovavy kely 16 taona no nisy naka an-keriny ka saika hamidy, saingy tafaporitsaka izy rehefa notazonina 4 andro ihany koa.

Tao Miaramasoandro no vosambotra ireto mpivarotra olona ireto ny alarobia lasa teo ary natolotra ny fampanoavana ny zoma 30 may 2014.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser