- Publicité -
dimanche, août 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Sarona ny toerana fanafenan’ireo olon-dratsy ny omby halatra

Antsirabe : Sarona ny toerana fanafenan’ireo olon-dratsy ny omby halatra

Kizo iray indray no saron’ny zandary tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny kizo moa dia ny toerana iray sarotra haleha, fitobiana na fanafenan’ireo dahalo ny omby nangalarin’izy ireo alohan’ny « hanadiovana » azy, na hanondranana izany amin’ny toeran-kafa. Tamin’ity indray mitoraka ity, vaovao azon-dry zareo no nahenoany fa misy toerana iray, antsoina hoe Antampona/Alatsinainy, fokontany Soamiakatra, kaominina Antanambao, distrika Antsirabe II, fivezivezen’olona mampiahiahy ary mazàna dia ahenoana omby mitrena. Nidina tany amin’io toerana io avy harany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Antsirabe ary nanomboka ny savahao. Kirihitr’ala matevina tokoa ny amin’io toerana io ka heverina fa mety ho mora amin’ireo olon-dratsy tokoa ny manafin-javatra sy ny mitoby ao amin’io faritra io, tsy misy mpahita. Ny alakamisy lasa teo no nahitàm-bokany izany savahao natao izany, satria dia nahitana omby roa nirenireny tao amin’io faritra io, ary nentina nogiazana avy hatrany. Omby izay heverina fa mety ho avy nangalarina, ka hiangavina izay mety ho tompony mba hanatona ny biraon’ny zandary ao Andranomadio, miaraka amin’ny taratasy fanamarinana. Marihana, fa tsy nisy olona nampiahiahy nifanena tamin’ireo mpanao fisafoana aloha tamin’io fotoana io, saingy na izany aza, hoy ny fampahafantarana azo, dia atao matetika izany fisafoana  sy fanaovana sahavao izany, hisian’ny fandriampahalemana. Azo eritreretina mantsy hoy hatrany ny fampitam-baovao azo, fa mety ho ireo omby rehetra nangalarina tany amin’ireo faritra manodidina, hatrany Fandriana iny dia mety ho entin’ireo olon-dratsy ao amin’io toerana io avokoa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici