Mitohy ny fikarohana ny talen’ny sekoly «Les Marmailles » ao Antsirabe. Raharaha tsy famonjena mpianatra niharan-doza no hanenjehina ity taleha ity. Volana vitsivitsy lasa izay, mpianatra iray tao amin’io sekoly io no namoy ny ainy vokatry ny fianjerana avy eny an-davarangana. Voalaza fa tokony ho avotra ihany ny ain’io zaza io raha toa ka nisy ny fitsaboana sy fikarakarana azy. Tsy nisy anefa izany ary tsy tana ny ain’ilay zaza. Nitory avy hatrany moa ny ray aman-drenin’ity farany ary efa niakatra teo alohan’ny fitsarana izao raharaha izao saingy nahazo fahafahana vonjimaika ilay Tale. Tsy nahafa-po ny fianakavian’ilay niaram-boina izany fanapahan-kevitra izany ka mbola namerina nampiakatra ny raharaha izy ireo. Nahazo famonjana vonjimaika ity Tale ity saingy tsy hita popoka izay nalehany nanomboka teo. Manoloana izany dia namoahana didy fikarohana ilay Tale ary fantatra fa tsy izy irery no karohina fa misy namany hafa tafiditra anatin’ity raharaha ity.
Voarisoa Davidson