- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tambajotrana mpisoloky, nanodikodina entana an-taoniny maro sarona

Antsirabe : Tambajotrana mpisoloky, nanodikodina entana an-taoniny maro sarona

Saron’ny mpitandro filaminana avy eto Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo ny tambazotrana mpisoloky goavana iray teto Antsirabe. Mitonona ho  orinasa mihitsy ireto fivondronana mpisoloky ireto. Teratany malagasy sy karàna no manao azy aty, tonga hatramin’ny fanaovana Dokam-barotra mihitsy izy ireto hilazany fa mandray vokatra  maro ny orinasany.

Fianakaviana  maromaro mpamongady  avy ao Atsimontsena no roboka, nitambatra ka nanangom-bokatra ary nivarotra ny entana tany amin’ity lazaina fa orinasa mpandray vokatra ity. Voamaina aman-taoniny maro no voaangona , kabaro 25 taonia, tsaramaso 98 taonina ary voatsiroa “lentille” 30 taonina ireo no entana voaangon’ireto fianakaviana nitambatra ireto ka naterina tany amin’ilay orinasa sandoka. Nanome taratasy manamarina fa voaray ny entana ilay tompon’andraikitra ary nanome  vodiondrim-barotra ( avance )  ihany koa. Nifanarahana  fa tsy mbola azo avoaka aloha ny vokatra raha tsy voaray daholo ny vola vidin’ireo voamaina ireo, izay tokony aloa ny datin’ny 12 oktobra lasa teo.

Ny sabotsy 10 oktobra anefa, entana maro be no efa navoakan’ilay mpiasa iray , entana aman-taoniny maro izy io. Isan’izany ny kabaro izay miteti-bidy 90 tapitrisa ariary, izay nalefa haingana ao Antananarivo. Niezaka niantso sy hihaona tamin’ilay karana sy ny tompon’andraikitra ilay fianakaviana, saingy tsy tafahaona mihitsy fa narirarirany teny foana ary laharana finday tsy marina no nomeny. Nahatsikaritra ny fianakaviana tompon’entana fa hafahafa ny fandehan’ny raharaha ka ny sasany nampandre ny polisy, tao koa ny nilaza tamin’ny zandary. Niara-niasa ireto roa voalaza farany, niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany. Vokany, olona iray nitonona ho mpiasa tao amin’ilay orinasa sandoka no voasambotra. Io avy eo no nanoro ny namany hafa ka nisy roa hafa voasambotra, dia ilay mpamily sy ilay nitononona ho tompon’andraikitra ara-bola. Fantatra  fa tao Andoharanofotsy Antananarivo no nametrahana ilay kamiao nisy ny entana, ary efa nitadiavana mpividy ny kabaro, amin’ny vidiny 2000 ariary ny kilao, raha toa ka 3500 ariary nefa  no tokony ho vidiny ara dalana. Efa tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo entana ireo amin’izao fotoana.Fantatra kosa fa nisy voa-maina 15 kitapo no tsy hita intsony. Telo no voasambotra hatreto.Mbola mitohy ny fanadihadiana hoy ny kaomandin’ny borigady Bevahiny Damy. Karohina fatratra koa ilay karana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici