vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Taona 2014 : Zaza 90 nandositra ny ray aman-dreniny

Antsirabe : Taona 2014 : Zaza 90 nandositra ny ray aman-dreniny

Isan’ny tranga nahazo vahana teto Antsirabe nandritra ny taona 2014 lasa iny, ny fandosiran’ny zaza ray aman-dreny «  fugue ». Tafakatra 90 ny isan’ireo zaza nitsoaka ny ray aman-dreniny, raha ny tarehimarika azo teo anivon’ny polisim-pirenena. Mety ho maro ny antony itsoahan’ireo zaza ny fonenana misy azy, ao ny fikorotanan’ny tokatrano, ny  fifamaliana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka, ny daroka,  ny  fisarahana ,  eo ihany koa ny fahantrana…sns ka mampanita-tsaina ny zaza. Fa ny tena mateti-pitranga aloha, dia ditra tsotra izao. Ny volana Novambra 2014 no tena nahazo  vahana ity tranga mampalehelo ity satria nahatratra 22 ireo zaza nandositra tao anatin’ny iray volana monja.  Voasokajy ho fandikan-dalàna eo amin’ny zaza anefa ny fandosirana  ray aman-dreny, raha ny fanazavana azo. Manolona ity tranga ity, nisy ny fepetra sy fanentanana noraisin’ny teo anivon’ny OMC natao tamin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina maro teto Antsirabe nentina nanazavana ny lalàna manan-kery, ny tsy tokony hanaovana izany sy ny toerana tokony hanatonana raha  sendra misy olana mitranga. Tanjona amin’izany ny hanenana ny salan’isa amin’ny fitsoahana trano fonenana. Tsy azo afenina mantsy fa zavadoza ho an’ny zaza, na ray aman-dreny sy ny fiarahamonina ity fitsoahana ny fonenana ity.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser