- Publicité -
lundi, février 16, 2026
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Taratasin’omby mampiahiahy, miaramila roa naiditra am-ponja

Antsirabe : Taratasin’omby mampiahiahy, miaramila roa naiditra am-ponja

Miaramila roa no fantatra fa tazonina vonjimaika am-ponja any Antsirabe tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa niaraka tamina mpandroaka omby avy any amin’ny faritra Atsimo ireto miaramila ireo. Rehefa teo Antsirabe, nisy ny fisavana nataon’ny polisy any an-toerana. Tamin’izany no nahitana taratasin’omby voalaza fa tsy ara-dàlana ary nampiahiahy ireo mpisava, tany amin’ireto voarohirohy ireto. Nisy vola 5 tapitrisa ariary koa tany amin’izy ireo. Tsy maintsy natao ny famotorana. Rehefa vita izany dia natolotra ny fitsarana izy ireo ary dia izao nalefa any am-ponja izao. Na izany aza dia mitohy hatrany ny fanadihadiana ahafantarana na nahazo alalana tamin’ny lehibeny izy ireo tamin’ity raharaha ity na tsia.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

S'abonner à notre newsletter