- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Taxi brousse nidona tamina andrin-jiro

Antsirabe : Taxi brousse nidona tamina andrin-jiro

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny fiantsonana Ampiaviana, omaly maraina be tokony ho tamin’ny 5 ora.

Taxi brousse Mazda iray avy any Manakara, hizotra ho any Antananarivo, no nidona tamina andrin-jiron’ny jirama. Tsy dia nandeha mafy akory ity taxi-brousse ity, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy fantatra izay nahazo ny mpamily fa dia izao nidofotra izao ny fiara. Voalaza koa fa tsy hoe tsy ampy torimaso izy na rendremana ka mety tsy nahatana ny familiana. Tsy fantatra mazava, noho izany, izay mety ho anton’ny loza. Tsy nisy aloha ny aina nafoy na dia mafy aza ny fifandonana, fa ilay andrin-jiro no tapaka mihitsy ka nifatratra tamin’ireo mpivarotra voankazo amoron-dalana. Mpivarotra voankazo matory amin’ireny trano an-tsisin-dalana ireny no fantatra fa naratra mafy voadonan’ilay andrin-jiro nianjera. Nivadika kosa ilay taxi brousse ary potika ny lohany, mpandeha iray no voalaza fa naratra tao anatin’ilay Mazda.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici