- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Taxi-brousse nivadika, 1 maty 13 naratra

Antsirabe : Taxi-brousse nivadika, 1 maty 13 naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena fahafito, omaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina teo. Fiara sprinter iray avy any Toliary hiakatra ho aty Antananarivo no niharan-doza tao Ambatomainty, kaominina Andranomanelatra. Vokany, iray maty ary 13 naratra mafy ka voatery naiditra  ao amin’ny hopitaly Atsimo. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza, raha ny fitantaran’ireo niharam-boina. Tovolahy iray 19 taona nitondra bisikeleta no nofahon’ilay sprinter , izay volaza fa voa mafy tokoa ka tsy tonga teny amin’ny hopitaly akory dia tapitra ny ainy. Nivadika ilay taksy brosy ary saika nifatratra tany an-tanimbary mihitsy, raha ny filazan’ireo niharam-boina hatrany. Nisy tamin’ireo mpandeha no nilaza fa efa saika niharan-doza ity sprinter ity tao Ambositra manakaiky ny tetezana Fatihita noho ny fisisihana tamina lanana tery, kanjo nifanehatra tamina kamiao. Efa nahazo ny sisin-dalàna mihitsy ny fiara raha ny fanazavana saingy mbola avotra soa aman-tsara aloha teo. 9 tamin’ireo 13 naratra moa no mbola tazonina ao amin’ny hopitaly amin’izao ora anoratana izao ary tsy misy atahorana intsony ny ainy.

Anisan’ny lalam-pirenena itrangana loza matetika ny lalam-pirenena faha-7 indrindra amin’izao fotoanan’ny orana izao. Ny lalana rahateo iraha –mahita ny fahasimbany, ny lavadavaka efa tsy tenenina intsony, manampy trotraka ihany koa ny fandehanan’ireo mpamily mafy ka miteraka ny loza amoizana ain’olona toy izao.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser