Nandà hatramin’ny farany ny fiampagana azy, izy telo lahy miaraka aminy vadiny na dia nisy aza ny fijoroana vavolombelona nataon’olona nahatadidy ny tavany, fa isan’ireo nandray anjara tamina fanafihana nisesisesy teto Antsirabe, ny iray tamin’izy ireo.
Natolotra ny fampanoavana,ny faran’ny herinandro lasa teo izy 6 mianadahy voasambotra ireo. Vesatra hiampangana azy ny fandraisana anjara mivantana na an-kolaka tamin’ireo vaky trano sesilany niseho teto Antsirabe, tato ho ato izay. olona tsara sitra-po no nilaza tamin’ny mpitandro filaminana, fa nahare resaka tamina antso an-telefaonina, resaka mifanao fotoana amin’ny andro misasakalina tao amin’ny toerana iray tao Ambohimena. Teo no niainga ny fanadihadiana, niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka 6 no babo: telo lahy miaraka amin’ny vadiny avy. Mbola tratra tao amin’izy ireo ny fanamiana mpitandro filaminana iray mando sy feno fotaka, azo heverina fa vao avy nampiasaina nentina hamitahana olona izy io. Ankoatra izay, finday maromaro sy karazana “puce” no hita tao aminy. Porofo iray mitohoka amin’ny tendany araky ny fanazavana ny fahitana tao anatin’ny finday iray nisy ny sarin’ireo olona voatafika teny Ambalakisoa,ny volana janoary iny. Manampy izany ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ olona iray milaza fa nahatadidiy ny endriky ny iray tamin’ireo jiolahy nanao fanafihana teny Ambohimena, ka nahafaty renim-pianakaviana iray voatifitra teo amin’ny tratrany.
Andry N.