Nahazo vahana indray ny vaky trano teto Antsirabe ambonivohitra tato ho ato. Ny fokontany Ambohimena sy ny manodidina no tena nandrenesana azy ity. Raha ny angom-baovao dia fantatra fa tokantrano 5 no nanao fitarainana tamin’ny mpitandro filaminana tao anatin’ny herinandro. Isan’izany ny vaky trano iray tao Ambohimena ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Tokantrano roa no lasibatra ka ny iray nahaverezana bisikileta maromaro, ny iray kosa vata fanamafisam-peo sy fitaovana entina mikirakira izany. Niantso ny mpitandro filaminana ny voatafika ary natao avy hatrany ny fikarohana. Misy olona efa ahiahian’ny fokonolona teo amin’ny manodidina ka tao no nosavain’ny mpitandro filaminana voalohany rehefa nahazo alalana tamin’ny fitsarana. Inona tokoa fa tratra tao amin’ity tokantrano ity ireo entana halatra rehetra sy ny bisikileta maromaro. Noraisim-potsiny ilay rangahy ary ity farany avy eo no nanoro ny namany roa lahy hafa. Fantatra fa gadra tokony mbola hanefa sazy am-ponja ny iray tamin’ireo jiolahy mpamaky trano ireo kanefa izao mivoaka mamaky trano izao indray. Natolotra ny fampanoavana omaly izy telo lahy voasambotra ireo.
Andry N.