- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Telo lahy mpisoloky karamana mpiasam-panjakana saron’ny polisy

Antsirabe : Telo lahy mpisoloky karamana mpiasam-panjakana saron’ny polisy

Mpisoloky gaigilahy, efa za-draharaha indray no saron’ny polisy teto Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo izany hoe tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska mihitsy. Karamana-mpiasam-panjakana ara dalàna  no ataon’izy ireto lasibatra amin’ny alalan’ny antontan-taratasy maty paika sy tsara lamina.

Vaovao avy tamina tranom-barotra nankan-ndry zalahy entana no nahafahana nisambotra azy ireto. Telo no voasambotra hatreto ary mbola misy namany hafa karohina hatramin’izao, voalaza mantsy fa tambajotra mihitsy no misy azy  raha ny fanazavana nomen’I kaomisera Manamijoro Rakotonjanahary.

Avo lenta tanteraka raha ny fomba fiasan’izy ireto, ny tena nahavariana mantsy ny fomba nahazoan’ireto mpisoloky ny “avis de credit” telo volana farany ana-mpiasam-panjakana ara-dalàna maromaro. Raha ny tokony ho izy mantsy dia olona mahazo fahazoan-dalana “procuration”  no afaka maka izany. Rehefa  azony io taratasy io dia mamorona “certificat administratif sandoka indray ry zalahy  miaraka amina karatra “carte professionnelle” manambara fa mpiasam-panjakana tokoa ilay mpisoloky. Ankoatra izay dia mbola manamboatra karapanondro sandoka ihany koa ry zalahy ary mitonona fa mpiasan’ny mpandraharahan’ny fonja ary Polisy indraindray. Hananany fanamiana avokoa ireo sy karapanondro samihafa. Ireo no entiny eny amin’ny tranombarotra ka hisolokiany avy eo. Maka entana maro ireo mpisoloky ary hamidiny avy eo. Ny tompon’ny tena karama amin’io tsy mahafantatra fa banga ny karamany. Misy mantsy kelikely ihany no alainy ka tsy mahatsikaritra ny sasany amin’ireo mpiasam-panjakana fa misy banga ny karamany. Misy koa no banga hatramin’ny 100.000 ariary isam-bolana zay vao taitra. Mpiasa iray  no fantatra fa very hatramin’ny 2 tapitrisa ariary tamin’ity fisolokiana avolenta ity raha ny nambaran’ny polisy hatrany.

Tsy avy eto Antsirabe ireto voasambotra ireto fa avy ao Antananarivo fa nikasa hanao ny asaratsiny teto saingy izao voasambotra izao. Misy amin’ireo antotan-taratasy maro ireo “avis de credit” no avy any atsimo atsinanana sy antsirabe ary Antananarivo. Efa eo an-dalam-pampandrenesana ireo very “avis de credit”  ny polisy amin’izao fotoana ary mitohy ny fikarohana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser