Mihevitra azy ho mazana sy tsy maty manota angamba ity vazaha frantsay iray, fa dia tsy nananany antra ny fanamafisam-peon’olona manao dokam-barotra eo amoron’arabe. Nambarany fa manelingelina azy misakafo hono ilay fanamisam-peo ka izay no antony nanimbany io fananan’olona io.
Omaly maraina no nitrangan’izany teo anoloana hotely lehibe iray Z&A no sady foibe ara-barotra. Fantatra fa nisakafo tamina toerana mifanila amin’ilay hotely ity vazaha ity, nambarany fa mafy loatra hono ny mozika nandeha ka tsy zakany ary manakotaba azy. Tsy nisalasala akory ity vazaha lehibe iray efa ho 60 taona eo ho eo no avy hatrany dia nobatainy ilay fanamafisam-peo ary nakapony tamin’ny tany no sady narahiny taim-bava sy fimenomenonana. Saika mbola haka ilay fanamafisam-peo iray hafa ingahy rainy, saingy nosakanana mpiambina ny toerana iray. Ity farany indray no niantefan’ny hatezerany ka nodarohany sy nokendainy, ankoatra io mpiambina io dia nisy mpitari-posy ihany koa mbola voadaroka. Sendra nandalo anefa ny lehiben’ny polisy tamin’io ora nisehoan’ity tranga ity ka avy hatrany dia nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ilay vazaha nanaovana fanadihadiana. Soa aloha fa nandalo tampoka ny mpitandro filaminana, fa efa nanomboka nitangorona ny olona ary tsy nisy faly nahita ny fihetsik’ity vazaha lehibe ity ka voasakana ny mety ho nisian’ny fitsaram-bahoaka taminy.
Fantatra araka ny fanadihadiana, fa tsy vao sambany akory io vazaha io no nanimba sy nigafy fananan’olona toy izao, teto Antsirabe ary tao amin’io toerana io ihany. Nampiantso ny mpisolovava azy izy ary nifona tao amin’ilay hotely ka nilaza ihany koa fa hanolo ny zavatra nosimbainy. Tsy hanaiky kosa ny orinasa mampiasa ilay mpiambina fa hitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana ka andrasana izay ho tohiny.
Andry N.