Efa fotoana maromaro izay no nandrenesan’ny vahoakan’Antsirabe ny vavaky ny mpino Silamo rehefa antoandro ny andro. Saika manerana ny renivohitra dia maheno ny feo minaonaona mafy. Efa nisy tamin’ny mponina manodidina no mitaraina noho ny hamafisam-peo ampiasan’ireo mpino silamo fa tena mizaka ny mafy ireo mponina, indrindra ny faritra manakaiky ny « mosqué » eto antampon-tananan’Antsirabe. Teratany vahiny iray niaraka tamin’ny zanany no sendra nandalo nanoloana ny faritry ny « mosqué » ary niteny tsotra tamin’ireo mpino silamo teo ivelany fa tokony hojerena ihany ny fanamafisam-peo ampiasain’ny fiangonan’ny silamo fa miteraka fikorontanan’ny hafa. Voalaza anefa fa nampiakatra ny mari-panan’ireo Silamo teo ivelany ny tenin’io teratany vahiny io ka ny niafarany dia niala teo izy mianaka ary nitondra ny fiarany hamonjy ny trano fodiany. Nisy nanaraka tamina fiara tsy mataho dalana anefa izy mianaka ary nosakanana tsy handeha rehefa teo akaikin’ny jirama. Niezaka nihemotra ihany izy mianaka saingy efa nisy lehilahy iray nivoaka tao amin’io fiara nanakan-dalana io ary nisintona ilay zanak’ilay vazaha. Naratra noho izany ilay zaza ary rovitra ny akanjony. Fantatra fa telo lahy no tao anatin’ilay fiara tsy mataho dalana ka manamboninahitra ny iray tamin’izy ireo. Sokajian’ilay teratany vahiny ho fikasana fakana an-keriny ny zanany ny fihetsik’ireo telo lahy ireo noho izany. Tsy misy hidiran’ilay zaza mantsy ny zava nitranga ka nahoana no ilay zaza no noratraina. Nilaza ny tsy hanaiky ny nanjo azy ilay teratany vahiny ary efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Ny faran’ny herinandro teo no nisehoan’ity tranga ity teto Antsirabe. Tsiahivina fa efa nampitandrina ireo fiangonana na rehefa zavatra mety hanelingelina ny mponina ny prefet an’Antsirabe.
Andry N.