- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Toaka gasy 1500 litatra, sy vatosoa 9 taonina saron’ny zandary

Antsirabe : Toaka gasy 1500 litatra, sy vatosoa 9 taonina saron’ny zandary

Nambaran’ny borigadin’ny zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto Antsirabe  fa tsy ara-dalàna ny ankamaroan’ireo taoka gasy saron’izy ireo. Marina fa manana taratasy fahazoan-dalana ny mpamokatra ireo taoka ireo nefa ny 60 isan-jaton’ireo taoka sarona  dia  tsy ara dalàna avokoa, hoy lehiben’ny  BPR, GPCE Razafimandimby Heritiana. Tsy misarona araka ny tokony ho izy  ny sasany amin’ireo tavoahangy misy ny taoka, toy izay ihany koa ny tsy fitandroana ny fahadiovana misy azy. Ny alarobia maraina tokony ho tamin’ny 4 ora no nahatratrana ireto taoka gasy maro be ireto. Fa ankoatra izay dia fiara lehibe iray ihany koa no tra-tehaky ny zandary ny marainan’ny alakamisy 8 janoary 2015 tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Nitondra irony karazana vato fanamboarana loko irony « dolomie roche » ity kamiao ity. Araka ny fanazavana hatrany dia taratasy hosoka no nampiasana nentina nitrandrahana ireto vato aman-taonina maro ireto. Efa lany daty ny taratasy nentina ka  voasokajy ho fandikan-dalàna izany eo anatrehan’ny lalàna, indrindra fa ny fampiasana zavatra tsy marina. Tao anatin’ny fisavana mahazatra fanaon’ny zandary ao Vinaninkarena  avokoa moa no nahatratrarana ireo entana tsy ara-dalàna ireo.

Andry N

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser