- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Toerana fakana sary vaovao, nametrahana mpitandro filaminana fa misy mpanendaka

Antsirabe : Toerana fakana sary vaovao, nametrahana mpitandro filaminana fa misy mpanendaka

Manome endrika ny tanana ny tahaka itony ( sary Andry N).

Isan’ny foto drafidrasa iray mibaribary manome endrika ny tanan’Antsirabe ny nananganana ilay rindrina lehibe misy soratra lzaho ANTSIRABE. Eo ampihavina no nametrahana azy ity manamorona ny zaridainan’ny mpifankatia.

Mahasarika ny maso ary mahasarika olona ity toerana ity hatramin’izay nisiany izay. Saika maka sary eo avokoa na ny tompon-tanana na ireo vahiny mpandalo maka sary ho fahatsiarovana.

Tsy voatery manolona ny gara na ny tsangam-bato intsony ireo vahiny no maka sary raha mandalo eto Antsirabe fa eto amin’ity mari-pamantarana ny tanana misy soratra hoe “I love Antsirabe ity”

Voatery nametrahana mpitandro filaminana anefa ity toerana ity satria nanjary nisy mpanendaka sy mpanao sinto mahery noho ny hamaroan’ireo vahiny mpandalo maka sary. Efa nisy ny lasibatra tamin’izany ka mba hisorohana sy ho fitandroana ny tsy fandriam-pahalemana dia tsy nikely soroka ny tompon’andraikitra nametraka mpitandro filaminana.

Marihina fa tato ho ato dia somary nahazo vahana ny fanendahana eto Antsirabe sy ny manodidina ka tokony ho mailo ny rehetra indrindra fa ireo mpody alina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici