Basy poleta vita gasy iray miaraka amina bala maromaro, moto efa noravana miisa 6, bisikileta 6, miampy kojakojana moto maro be sy groupe electrogène no saron’ny polisy tao amina tokantrano iray teny Belazao Antsirabe II.
Raha ny fantatra dia toa efa ela mihitsy ity tokantrano ity no noahiahian’ny olona amin’ny fanaovan-dratsy ka isan’ny nanomezan’ny tsara sitra-po ny vaovao teny anivon’ny polisy izany. Tsy niandry ela fa vao naharay ny fampandrenesana ny polisy dia nidina teny ifotiny nanao ny fizahana rehefa nahazo alalana avy tamin’ny fitsarana tamin’ny 4 oktobra lasa teo. Tsy nanampo ilay tokantrano, tsy nisy nialana koa fa sarona tao ambany farafara ny basy poleta iray niaraka tamina bala miisa 8, ankaotra ireo entana voalaza etsy ambony.
Mpivady no nahatratrarana ireo entana maro be irao, nandritra ny fisamborana dia tsy tratra tao an-tranony ilay rangahy fa nambaran’ny vadiny fa nisy dia nalehany. Rehefa nanaovana vela-pandrika anefa ranamana dia voasambotra ihany. Ankaotra ireo entana maro be hita tao amin’izy mivady ireo dia nanaitra ny sain’ny polisy koa ny fahitana “herse” iray fampiasana amin’ireny fanakanan-dalana ireny izay marihina fa dia tsara voatra tokoa ary manara-penitra mihitsy. Voalaza fa fampisa amina fanakanana moto izy io, tombanan’ny polisy noho izany fa isan’ny moto halatra sy kojakoja azo avy amin’izany avokoa ireo fitaovana maro be tratra tao amin’izy mivady ireto. Nambaran’ny polisy hatrany fa mety misy olona miray tsikombakomba amin’izy mivady ary eo am-pitadiavana izany ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Natolotra ny fampanoavana omaly zoma izy miavady.
Andry N.